Teny iditra mandamina (lamina)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mikarakara mba hilanto na hirindra tsara, mandahatra: Mbola mandamina ny entanay ao i Dada sy i Neny fa vao tonga izao izahay
¶ Manamboatra, mandanto, mandrindra: Izy no nantsoinay handamina ny adin-dry zareo ato atsimo sy avaratra [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to arrange, to set in order [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   arranger, mettre en ordre; réconcilier [Hallanger 1974]
Ohatra   Kandrefa, hoy izy, raha mandamina amy ny amany n' omby hianareo, dia ny vehivavy mitondra tena no manatitra isan' alarobia; [Callet: Tantara, takila 692]
Ny bikany  
mandamina
nandamina
handamina
mandana
Fitovian-keviteny   mandahatra ~ mampirina ~ mandrindra ~ manala olana ~ mampirindra ~ mikirakira ~ mandanto ~ mandravona ~ mamboatra ~ mikojakoja ~ mikarakara ~ mikajikajy

Teny iditra mandamìna (lamina)
Sokajin-teny   filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandamina [firaketana]
Famaritana malagasy   [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   [Abinal 1888]

Nohavaozina tamin' ny 2014/09/18