Teny iditra mandany (lany)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mihinana: Mandany vary intelon' ny kapoaka isan' andro izy
¶ Mandritra: Mandany vola betsaka ny fanaovan-trano ankehitriny
¶ Manapitra: Handany ny volana Avrily any Toamasina izahay
¶ Manary: Nandany ny androko ny fiandrasako anao.
Mitovy hevitra: "tondraka anio mananjara" ~ mamafy katrana ~ manao tovolahy mahita fotsimbary ~ manely vory ~ miredareda ~ mirobaroba ~ mirodaroda ~ mitahiry an-karon-doa-body ~ mitobatoba ~ ny azo anio lany anio ~ tsy mitsapa ny farany ~ tsy mitsapa ny lany ~ tsy mitsinjo vodiandro ho marika ~ tsy mitsitsy [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to spend, to consume; to agree; to be allowed to suckle at will, as a young calf [Richardson 1885]
   to use up, to consume [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   épuiser; consommer; agréer, approuver [Hallanger 1974]
Dikanteny frantsay   dépenser [SLP: Voambolana]
Ny bikany  
mandany
nandany
handany
mandania
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2012/07/11