Teny iditra mandeha (leha)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mamindra toerana ny vatan-tena amin' ny famindrafindrana ny tongotra: Tsy mbola afaka mandeha ny marary. / Efa miana-mandeha ny zafikeliko
¶ Mizotra: Nandeha tamin' ny arabe izy fa tsy nihazo ny lalan-kely akory
¶ Miala, miainga: Tongava maraindraina fa amin' ny fito aho no handeha
¶ Mandalo: Nandeha tany antsena aho aninaraina
¶ Mihelina, miserana: Mandeha haingana ny andro rehefa ririnina
¶ Mihetsika ara-dalàna ny milina ao aminy: Mandeha ve iny famantaranandronao iny?
¶ Mandroso: Mandeha ve izao varotrao ? [Rajemisa 1985]
Endriteny 
mandeha
nandeha
handeha
mandehana
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2010/05/05