Teny iditra mandidy (didy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Sihanaka] mikapa, mitetika [Rakotosaona 1972]
 mikapa, mandrasa: Tsy mora araka ny fiheverana azy akory ny mandidy hena
¶ Manapaka lamba amin' ny hety mba hanaovana akanjo: Izano nandidy ny akanjonao?
¶ Mandrasa nofo na manapaka taova amin' ny olombelona mba hanalana aretina mahazo azy: Dokotera iza no nandidy ny vavoninao?
¶ Mampanao: Mandidy zava-tsarotra loatra ianao, tompoko
¶ Mifehy, manapaka: Iza no mandidy eto amin' ny faritany?
¶ Mizaka, tompom-pahefana amin' ny fananana: Mandidy ny fananako aho
¶ Teny misy ifandraisany amin' ny Mandidy: manapaka, mibaiko, mandahatra, mizaka, mifehy, manendry, manery, manjakazaka, mandidy tokana, mandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy, manao teniko fe lehibe, manao didy boraingona [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to cut, to command, to order [Richardson 1885]
Famaritana malagasy manaraka soritra miolika. [Voambolana: Haitao] [SLP 1986]
Famaritana anglisy to cut
¶ to command [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay couper
¶ commander [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay chantourner. [Voambolana: Haitao] [SLP 1986]
Endriteny 
mandidy
nandidy
handidy
mandidia
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny mandidy ity (1): Tsiroanomandidy

2013/09/16