Teny iditra mandingana (dingana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitsambikina avy eo amin' ny ilan' ny tatatra, rano, hady... iray ka miampita erý amin' ny ilany iray: Tsy afaka mandingan-tatatra ny vehivavy sasany amin' ny zipony tery loatra
¶ Mamela, manadino: Nandingana andalan-tsoratra efatra ianao tamin' ny tsianjery tao
¶ Manitsaka: Tsy havelako handingana ny taniko intsony iny fa mpangalatra
¶ Enti-misolony anarana hoe dingana amin' ny filazana ny refy: Impolo mandingana ny refin' itý trano itý
¶ Mihoatra (fefy): Zazakely io ve ho afaka handingana tamboho tsivikinindahy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to step over, to leap over, to jump to from a distance, to skip in reading [Richardson 1885]
 to step over; to leave out, to skip [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay enjamber, franchir, sauter, omettre [Hallanger 1974]
Endriteny 
mandingana
nandingana
handingana
mandingàna

Teny iditra mandingàna (dingana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandingana [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]

2012/05/08