Teny iditra mandositra (lositra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manalavitra haingana mba tsy ho tratra, miriatra, mirifatra, miridana: Mandositra ny fahavalo
¶ Mivoaka an-tsokosoko, milefa: Nandositra hono Rainivoanjo efa voatana tao antranomaizina
¶ Midify: Mandositra ahy foana ny zanakao
Mitovy hevitra: lasa any am-parakatsakatsaka ~ lasa any an-dakira ~ lasa any banty ~ madio ny rano nitany ~ manao kaovasy ~ manao rarangy ~ manao tongotra an-katoka ~ manao tsipy kely ~ manao tsoa-pe ~ manao vezamaimbo ~ manary ~ manary basy ~ manavotra aina ~ manifi-drano ~ manjavona ~ midify ~ milefa ~ milomay ~ miporitsaka ~ miridana ~ mirifatra ~ miriotra ~ mitakidingina ~ mitsoaka ~ mitsoriaka ~ mivoaka ~ riatra mandositra ~ tapa-kofehy ~ tsy tana ~ vaky bao ~ vaky mandositra ~ vaky tady [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to run away from; to flee [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay fuir, s'enfuir de [Hallanger 1974]
Endriteny 
mandositra
nandositra
handositra
mandosira
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

2013/03/25