Teny iditra mandrafitra (rafitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manamboatra zavatra amin' ny hazo izay vankonina, ampiadina...; miasa hazo...: Tsy mbola mahay mandrafitra izy
Manorina: Rakoto no nandrafitra ilay tetezana atsy atsimo atsy
Manao, mamorona: Mahay mandrafitra lakana tsara ianao izany
Mandahatra, mampiady: Mahay mandrafitra vato voapaika aoka izany izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To do carpenter's, mason's, or bricklayer's work. Mostly used of carpenter's work. [1.2]
 To construct; to do carpenter work [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Construire, ajuster le bois [1.8]
Ohatra Io fitotonganana io dia ho hita manerana ny singa mandrafitra azy rehetra. [1.384]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandrafitra
Ny lasa : nandrafitra
Ny hoavy : handrafitra
Filaza mandidy : mandrafèta
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20