Teny iditra mandrakizay (andraka, izay)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Famaritana malagasy Tsy misy fiandohany ary tsy misy fiafarany: Andriamanitra dia mandrakizay
¶ Tsy manampahataperana: Ny fiainana mandrakizay
¶ Na rahoviana na rahoviana: Tsy hisaraka aminao mandrakizay aho
Mitovy hevitra: alaovalo ~ antaranoana ~ doria [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy forever [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay éternellement [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 à tout jamais [Hallanger 1974]
Voambolana 
Teny mitovy hevitra mandrakizay alaovalo ~ mandrakizay antaranoana ~ mandrakizay doria
Ohatra 
1Rahefa manambady aho dia ho mandrakizay, fa tsy ho vetivety. [Andriamalala: Ranomasina, takila 25]
2ho tia an' i Sahondra mandrakizay! [Andriamalala: Taolambalo, takila 152]
3- Veloma mandrakizay ary, ry Raozikeliko. [Rajaonarivelo: Bina, takila 92]
4Ny Tangena dia tsy ampinomana mandrakizay. [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 42]

2015/11/25