Teny iditra mandratra (ratra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Tambahoaka, Tanala] manimba [Rakotosaona 1972]
 Manisy na mamely olona amin-java-maranitra ka mahatonga azy hanana fery: Esory io vy maranitra io sao mandratra ny zanakao
¶ Mampitondra alahelo: Nanao teny nandratra ny fony ianao
¶ Mahatonga fahavoazana, mampahita loza, mamohehatra, mampidi-doza: Tandremo fandrao mandratra anao io ady any amin' ny fitsarana io
¶ Manimba, mahatonga fatiantoka: Nanahy ihany izy sao handratra azy ilay vahiny nampiantranoiny tao aminy [Rajemisa 1985]
Endriteny 
mandratra
nandratra
handratra
mandratrà

Teny iditra mandratrà (ratra)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandratra [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay  [Abinal 1888]

2013/03/27