Teny iditra mandray (ray)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikasika amin' ny tanana: Nandray baolina ilay mpilalao ka notsofin' ny mpitsara ny kiririoka
¶ Mananty: Mandray fanomezana
¶ Mitsena sy mampiantrano: Teo an-kianjy no nandray ny filohan' ny Nosy ny vahoaka
¶ Mitokana: Nandray ny mpitandrina tamim-pomba lehibe ny fiangonana
¶ Manaiky ho isan' ny...: Nandray azy ho mpikambana ao aminy ny Akademia
¶ Mahazo: Nandray soa be taminy ianao ka mahaiza mankasitraka ~ Vao avy nandray vola izy
¶ Miraikitra: Tsy mandray tsara itý loko itý izany [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy to receive [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 to accept [Richardson 1885]
 to take [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay recevoir, prendre, accepter [Hallanger 1974]
Haiendriteny 
mandray
nandray
handray
mandraisa
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2022/01/16