Teny iditra mandrebireby (rebireby)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitarika ny resaka hivily lalana: Rangahy iny koa mandrebireby
¶ Manadala, manolikoly, mamitaka amin' ny hevitra manodoka: Nandrebireby ny zanako iny zazalahy iny ka lazao amin' ny ray aman-dreniny
Mitovy hevitra: mahavery rariny ~ mamazivazy ~ mamendrivendry ~ mamery andro ~ mamery dia ~ mampanary andro ~ mampitotototo ~ manadala ~ mananihany ~ manao sangy mihoatra ny loha ~ manary dia ny rariny ~ mandraikiraiky ~ mandraviravy ~ manorisory ~ mihomehy olona ~ milalao olona ~ misangisangy ~ mivarotra saka be loha [Rajemisa 1985]
Endriteny 
mandrebireby
nandrebireby
handrebireby
mandrebirebe
Ohatra 
1Voalaza ao fa ny ratsy fanahy izay ambinina dia ho tahaka ny menarana izay mandrebireby ny fahendrena. [Randzavola: Baiboly, takila 877]
2Aza mandrebireby ahy amin' ny "fanambadiana marina" firesakareo tovolahy amin' ny tovovavy marivo salosana [Andriamalala: Ranomasina, takila 25]
Teny nalaina 

2014/09/26