Teny iditra mandrindrina (rindrina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manao izay hiadian' ny lelavaravarana amin' ny batana mba tsy hahafahany mivoha (mba hitoviany tantana amin' ny rindrina); manakatona: Efa mahay mandrindrina varavarana ny zafikeliko
¶ Mametraka olona ao anaty trano mba tsy hahafahany mandehandeha: Nisy nandrindrina an' itý zaza itý tao an' efitra tao ka nitomany foana tao izy
¶ Mametaka varavarana: Mba tsy mahay koa izay mpandrafitra nandrindrina itony varavarana itony [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to close [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay fermer [Hallanger 1974]
Endriteny 
mandrindrina
nandrindrina
handrindrina
mandrindrìna
Ohatra Tsy nanome tsiny azy ireo aho ankehitriny fa mandrindrina ny fakam-panahy! [Andriamalala: Ranomasina, takila 26]

Teny iditra mandrindrina (rindrina)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Enti-milaza olona sady lehibe no lava, ranjanana, goaibe: Tsitapitapitrizay indro nisy lehilahy nandrindrina be nanatona ahy [Rajemisa 1985]

Teny iditra mandrindriña
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Sihanaka] mandondona [Rakotosaona 1972]
Ohatra Malaza ho be mpamosavy ny vohitra sasantsasany tsy maintsy lalovany ka nampitsangam-bolo azy roalahy isaky ny misy aloka iray mandrindrina. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 66]

Teny iditra mandrindrìna (rindrina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrindrina [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]

2012/05/24