Teny iditra mandroatra (roatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitera-droatra, misy raotrany: Mandroatra ny rano mianjera amin' ny riana
¶ Enti-milaza ny vary handroina izay manomboka mamorivory: Efa mandroatra ny vary ka tsy ela dia ho masaka
¶ Mirehitry ny hatezerana tampoka: Nandroatra foana tsy nisy antony teo izy
Mitovy hevitra: mifoabe ~ mifoaka ~ misafoaka ~ misamontotra ~ mitroatra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to foam, to boil over [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay déborder en écume [Hallanger 1974]
Endriteny 
mandroatra
nandroatra
handroatra
mandroata
Ohatra mandroatra fotsiny toa ranon-tsavony sy mamoa-pofona hafahafa ny kafe azony. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 46]
Teny nalaina 

Teny iditra Mandroatra
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Famaritana frantsay petit fleuve de la préfecture de Morondava [Rajemisa 1966]
Voambolana 

2013/03/31