Teny iditra maneho (seho)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mamboraka mba ho hita, mampiseho (raha zavatra ara-tsaina na ara-panahy no lazaina): Maneho fahendrena izany fihetsika izany ~ Tonga izahay, tompoko, haneho fiaraha-miory aminareo [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to exhibit, to display [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay montrer, exhiber [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay présenter, montrer, faire apparaître, exhiber, représenter, révéler [SLP 1986]
Endriteny 
maneho
naneho
haneho
manehoa
Ohatra 
1Ny tapatapany amin' ny tantaram-pirenena iankinan' ity lahatsoratra ity dia maneho zava-marina avokoa. [Andraina: Mitaraina, takila 5]
2Maneho ny hatavin' ny fanasana mbamin' ny ranondolana isodihan' ny menaka. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 87]

2012/05/30