Teny iditra manetroka (setroka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Ratsy firehitraka mitera-tsetroka betsaka: Manetroka izaitsizy ny kitay lena
Mandonaka, manorisory (olona) amin' ny setroka, manetona: Tandremo sao manetroka ny vahiny ny afonareo
Mitezitra mafy, mandevilevy: Nanetroka ny mpianany ilay mpampianatra noho ny toetra ratsy nasehony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To give off much smoke [1.7]
Fanazavàna teny frantsay émettre beaucoup de fumée [1.8]
Ohatra Tsy hitaina afo bozaka manetroka intsony izy sy ny taranany. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manetroka
Ny lasa : nanetroka
Ny hoavy : hanetroka
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20