Teny iditra manetsika (hetsika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manova toerana: Aza manetsiketsi-tongotra
¶ Mampanonja; mampihevingevina, mampitopatopa: Manetsika ny ranomasina ny rivotra
¶ Mamoha, mampipoaka indray: Tsy tokony hanetsika iny raharaha iny intsony ianao
¶ Mampientana: Nanetsika ny foko loatra ilay hira tao
¶ Mahatonga, miteraka: Manetsika ny alahelony ny fahitana ny fasana ilevenan' ny zanany
¶ Mamadika, mamono lamba: Hanetsika an-dry Ramianoka sy Ratsizehena izahay, taona any [Rajemisa 1985]
Endriteny 
manetsika
nanetsika
hanetsika
manetseha

2010/05/14