Teny iditra manganohano (hanohano)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Mangirangirana, mamirapiratra: Manganohano ny varahina
Mitovy hevitra: manganihany
¶ Enti-milaza zavatra madio dia madio mitarehin-drano, azo itarafana: Manganohano rano kely mandeha ity
Mitovy hevitra: mangalahala ~ mangarangarana
¶ Enti-milaza ny ranomaso mihandrohandro mita hirotsaka: Manganohano ny ranomason' itý zaza
Mitovy hevitra: mihandrohandro [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be clear and limpid; shiny with wetness [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay luisant, qui a la larme à l'oeil, limpide, transparent: Manganohano io varahina io (Ce cuivre est luisant) ~ Manganohano ity rano ity (Cette eau est limpide) ~ Manganohano ny ranomason' ity zazakely ity (Les larmes de cet enfant sont sur le point de couler) [Abinal 1888]
 être clair, limpide; briller d'humidité [Hallanger 1974]
Endriteny 
manganohano
nanganohano
hanganohano
Ohatra 
1Ny tarehiny notarafin'ny hamenan'ny masoandro, ka hoatra ny volamena manganohano [Rajohanesa: Kintana]
2sady manganohano ny ranomasony [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 172]
Teny nalaina 

2014/02/04