Teny iditra mangataka (hataka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Miangavy hanome: Nangataka vola tamiko izy nefa tsy nomeko fa asa no nomeko azy
¶ Miangavy hanao, mitalaho, mihanta: Mangataka anao aho mba hanasitrana an' Ineny
¶ Mifona ho an' olona: Ianao izao no mba hangataka ho anay madinika any amin' ny lehibe.
Mitovy hevitra: mananty an-tanan-droa ~ manao hata-maso ~ manao hatak' adala ~ manao hatapiso ~ miambezo ~ miangavy ~ miangola ~ miangoty ~ mierina ~ mifendrofendro ~ mihanta ~ mikonetaka ~ milela-paladia ~ mitalaho ~ mitambitamby ~ mitampesona ~ mitofendro ~ mitomany ambony fe ~ mitosy ~ mivavaka [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to ask, to beg. [Richardson 1885]
 to ask for something; to beg [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay demander; mendier [Hallanger 1974]
Endriteny 
mangataka
mangata-
nangataka
nangata-
hangataka
hangata-
mangataha
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Kibo noana tsy mangataka andro. [Rinara 1974]
2Koa mangataka olona aminao aho. [Randriamamonjy: Tantara, takila 203]
3Moa mety sa tsy mety ny mangataka amin' ny Razana? [Rajemisa: Fiteny 4, takila 107]
Teny nalaina 

2018/07/31