Teny iditra mangatsiaka (hatsiaka)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mamanala, manaikitra, mamirifiry: Mangatsiaka ny andro rehefa ririnina
Tsy mafana, antara: Mangatsiaka ny kafe
Tsy misy hafanana, tsy mirehidrehitra: Nangatsiaka ny fifandraisanay tao ho ao izay
Mahatsiaro hatsiaka: Mangatsiaka aho fa rakofy bodofotsy
Matimaty, matoritory: Mangatsiaka ny fivavahana amin' itý faritany itý
Mitovy hevitra: (andro na zavatra) antaravelona ~ havandra latsaka ~ mamirifiry
Mitovy hevitra: (olona) jihitra ~ manara ~ manaran-defona ~ mangintsina ~ mangintsingintsina ~ mangintsy ~ marikoditra ~ mifihifihy ~ mitsangam-bolo ~ mivihivihy ~ ngoly ~ saro-nara ~ sarotin-katsiaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Cold, chilly, frigid. [1.2]
 Cold [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Froid [1.8]
Ohatra 
1Vary mangatsiaka sisa nihinanantsika omaly izao no nohaninay, dia lasa izahay, fa tsy nitoetra akory. [2.324]
2Tsy ela kosa dia nentin-dRasoa avy any, amin' ny zinga lava taho, ny rano mangatsiaka mangalahala. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mangatsiaka
Ny lasa : nangatsiaka
Ny hoavy : hangatsiaka
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra Mangatsiaka
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Petite rivière de la préfecture de Fort-Dauphin qui se jette dans le lac Anony [1.11]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20