Teny iditra manidina (idina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy [ mañidiña ] [Tambahoaka] mandraraka rano [Rakotosaona 1972]
 [ mañidiña ] [Sihanaka] mandrotsaka rano, manondraka [Rakotosaona 1972]
 Manao izay hidinana, mampidina, mandrotsaka: Manidina kafe ao anaty kaopy
¶ Mandatsaka ao anaty lasitra: Manidina lakolosy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to pour out, to take down; to cast [Richardson 1885]
Famaritana frantsay Faire descendre, verser dans, couler dans un moule [Abinal 1888]
Endriteny 
manidina
nanidina
hanidina
manidìna

Teny iditra manidina (sidina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihetsika na mihantona eny amin' ny rivotra amin' ny alalan' ny elatra: Manidina ambony ny papango
¶ Mandeha eny amin' ny habakabaka: Nahita aroplanina nanidina aho tamjn' ny 7 ora teo ho eo
¶ Mihantona, mivoivoy eny amin' ny rivotra: Aza kopahina mafy io fandiavana io fa manidina ny vovoka
¶ Mandeha na mihazakazaka haingana dia haingana: Manidina izany raha soavaly
¶ Enti-milaza olona -- indrindra ny vehivavy -- mandehandeha, tsy tsara fitondran-tena: Ho lany zara marina io tovovavy fatra-panidina io [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to fly [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay voler dans l'air [Hallanger 1974]
Endriteny 
manidina
nanidina
hanidina
manidìna
Ohatra Ny voro-manidina dia maro karazana sady betsaka tokoa [Randzavola: Baiboly, takila 34]
Teny nalaina 

Teny iditra manidìna (idina, sidina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manidina [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]

2016/09/17