Teny iditra manimba (simba)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manisy fahavoazana: Manimba ny voninkazo ny rivotra ~ Ny fana fintohinana manimba ny fanahin' ny namana
¶ Mahatonga tsy ho tian' ny olona manaratsy tany: Manimba ahy eo amin' ny tany ama-monina izany ampanaovinao ahy izany
¶ Misakantsakana ny fahombiazana: Mety hanimba ny fandehan' ny raharahantsika ny fijanonan' io olona io eto [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay endommager, dégrader, détruire [SLP 1986]
Endriteny 
manimba
nanimba
hanimba
manimbà
Ohatra 
1ny bibikely tonga ho azy amin' ny tanimboly, manimba voatabia sy mihinana ny anana ho toy ny dantelina! [Rakotonandrasana: Tantsaha]
2Manimba toetra sy ahavitan-javatra mamoa fady ny hanoanana. [Andraina: Mitaraina]

Teny iditra manimba (simba)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana frantsay nocif [SLP 1986]

Teny iditra manimbà (simba)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manimba [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay  [Abinal 1888]

2012/06/06