Teny iditra manintsana (hintsana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandraraka amin' ny alalan' ny fanetsiketsehana: Manintsam-parasy eto io alika io fa roahy any
¶ Manetsiketsika mba hifatratrakokoa ny zavatra afatra: Aza hadinoina ny manintsana ny famarana rehefa mividy vary
¶ Manasivana: Manintsana fasika ny mpandalotra
¶ Mandehandeha na mihazakazaka na mandihindihy rehefa avy mihinana mba hahalevona ny sakafo haingana
¶ Mirara-dravina, miongo-bolo: Manintsana ny hazo sasany rehefa ririnina ~ Vorona efa nanintsana io [Rajemisa 1985]
Endriteny 
manintsana
nanintsana
hanintsana
manintsàna
Ohatra sambatra kosa itony ambiaty
mahafolaka am-bozona ny taona
ka ririnina tsy mba manintsana
lohataona mamony ihany
ary fahavaratra manorobona
[Fox: Hainteny, laharana 323]

Teny iditra manintsàna (hintsana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manintsana [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay  [Abinal 1888]

2013/04/04