Teny iditra manisika (sisika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mampiditra: Manisika antsy ao anaty fery
¶ Mampiditra ombieny ombieny: Manisika teny frantsay mandrakariva amin' ny resany rangahy io
¶ Manampy, manosoka: Voatery hanisika takelaka enina amin' ny boky ianao raha hanampy an' io toko iray vaovao io
¶ Manome vola na zavatra olona mba hanangolena azy, hitaomana azy tsy hanao ny adidiny: Tsy tokony hisy hanisika mpiasam-panjakana na iza na iza [Rajemisa 1985]
 mampiditra sisika ao anelanelan'ny litera na fehezanteny [SLP 1986]
Famaritana frantsay espacer, intercaler [SLP 1986]
Voambolana 
Endriteny 
manisika
nanisika
hanisika
manisiha
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra manisika
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Bezanozano] mividy [Rakotosaona 1972]

Teny iditra manisika
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Tanosy] mihantsy [Rakotosaona 1972]

2012/06/07