Teny iditra manitikitika (kitikitika (kitika))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikasikasika (olona) amin' ny faritra mahatonga azy hihomehy, manibokibo: Tsy tiako ny mandeha amin' ny ahitra fa manitikitika ny faladiako
Mangataka amim-pahanginana: Nanitikitika ahy izy mba hahazoany iny akanjo iny ka nomeko
Tsy mampandry (saina), mahatonga ho velona ahiahy: Misy fanontaniana manitikitika ny saiko [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To tickle, to touch with the fingertips [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chatouiller, toucher avec le bout des doigts [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manitikitika
Ny lasa : nanitikitika
Ny hoavy : hanitikitika
Filaza mandidy : manitikitiha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20