Teny iditra manivakivaka (ivakivaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandalo eo afovoany: Tsy hita intsony ny hamenarako nanivakivaka teto afovoan' ny olona
Miala amin' ny lalambe ka mandeha amin' ny lalankely na mamoron-dalana mihitsy aza mba hahatongavana haingana na hahafohy ny dia: Taiza ho aiza izy no nanivakivaka no tsy hitanay akory? / Misy feo manivakivaka izany ka maharatsy ny hira
Manositosika, mandavo, mamotraka olona: Olona tsy mahalala fomba koa itony manivakivaka ny sasany itony rehefa mandalo [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manivakivaka
Ny lasa : nanivakivaka
Ny hoavy : hanivakivaka
Filaza mandidy : manivakivaha
Tovy hevitra manivaka

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05