Teny iditra mankarenina (renina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Enti-milaza feo mafy dia mafy ka mahatonga ho marenina: Asaivo mangina izany ankizy izany fa mankarenin-tsofina [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay rendre sourd [Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
Ohatra hoy ny mpanofa trano tao an-tany, ka mankarenina izato miliny! [Rajaonarivelo: Bina, takila 68]
Endriteny 
mankarenina
nankarenina
hankarenina
Teny mitovy hevitra mamparenina

Teny iditra mankarenina (renina)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana frantsay assourdissant [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra Mamakivaky ny lanitra ny tselatra, ary kotroka mankarenina no manampy ny firaondraonan' ny onja mihaza ny rembiny. [Andriamalala: Ranomasina, takila 15]
Endriteny 
mankarenina
nankarenina
hankarenina

2015/10/24