Teny iditra |
mankatò
(to)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manao ho tsara, mihevitra ho mety, mankasitraka: Tsy mankatò ny hevitrao rehetra aho Manaiky: Nankatò ny fitsipika nataon' ny fokonolona ny Fanjakana [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Accepter, tenir pour vrai, agréer, approuver, obéir à, accomplir [1.3]
|
Ohatra |
1 | Raha tsy mangalatra ny ankabeazan' olona, noho izy mankatò ny Didy Folo ve sa noho izy matahotra ny higadra?
[2.4]
|
2 | Afa-tsy izany, ny miaramila, ny mpiasam-panjakana, mankatò azy daholo na dia be Gasy aza amin' izany rehetra izany.
[2.472]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mankatò |
Ny lasa : |
nankatò |
Ny hoavy : |
hankatò |
Filaza mandidy : |
mankatoava |
|
|
Teny iditra |
mankato
(ato)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny frantsay | Aller à, conduire à [1.3]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mankato |
Ny lasa : |
nankato |
Ny hoavy : |
hankato |
|
|