Teny iditra manodidina (hodidina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandeha manapitra ny sakany sy ny lavany: Entina manodidina ny fahitra ny zaza rehefa mivoaka itany
¶ Mamaritra ny sisiny ivelany rehetra: Misy tamboho boribory manodidinany tanànanay
¶ Manao sokera, manarona: Efa manodidina ny tanàna ny fahavalo
¶ Miolikolika, misafelika: Nanodidina aloha izy vao namantana niteny ny raharaha nalehany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to surround; to go around [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay entourer; faire le tour [Hallanger 1974]
Endriteny 
manodidina
nanodidina
hanodidina
manodidìna
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Rehefa hariva ny andro, dia ny nikajakaja ny sakafo no nataony, ka miramirana izy rehetra manodidina ny afo. [Rajohanesa: Kintana]

Teny iditra manodidìna (hodidina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manodidina [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]

2012/09/06