Teny iditra manohy (hohy)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   mihady amin' ny hoho na amin-java-maranitra; manokatra [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   creuser avec les griffes ou avec un instrument, déterrer [Abinal 1888]
Ny bikany  
manohy
nanohy
hanohy
manohaza

Teny iditra manohy (tohy)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   manampy, manalava: Tsy fanao, hoy ny Ntaolo, ny manohy rofia ny foly mena
¶ tsy manapaka na mampijanona ny efa natomboka: Mbola hanohy ny diany hatrany Salazamay izy ~ Lasa nanohy ny fianarany any Toulouse izy [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   ajouter, unir, continuer [Abinal 1888]
Ny bikany  
manohy
nanohy
hanohy
manohiza

Teny iditra mañohy
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   mihehy [Sihanaka] [Rakotosaona 1972]
Fitovian-keviteny   mañoehy

Teny iditra manohy
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   maka tantely ao amin'ny tohotra [Tanosy] [Rakotosaona 1972]
Ny bikany  
manohy
nanohy
hanohy
manohiza

Nohavaozina tamin' ny 2016/02/18