Teny iditra manome (ome)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   [ mañome ] [Taisaka] manome [Rakotosaona 1972]
   Mahafoy: Manome vola ny mahantra
¶ Manaiky: Tsy nanome ny zavatra nangatahiko izy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   to give, to present [Richardson 1885]
   to give [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   donner [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay   donner, offrir, céder [SLP: Voambolana]
Ohatra  
1"Izay manome ahy vola ariary zato, omeko anatra tsara. [Rabezandrina: Ikotofetsy]
2Dia injao indray toa nisy feo miteny aminy manome toky azy. [Rajohanesa: Kintana]
3Tsy manala na manome tsiny an-dRavinantolahy aho, sanatria! [Rakotonandrasana: Tantsaha]
4Mba olombelona ihany Rasoa ka nahazo hirika tao aminy ny famaliana faty amin' izato afitso-janany izay manome teny maharary azy. [Rakotonandrasana: Tantsaha]
5- Manome toky anao aho! [Andriamalala: Ranomasina]
6Ny tanàna teo akaikin' ny volibe no manome ny olona nilainy toy izany. [Andraina: Mitaraina]
Ny bikany  
manome
nanome
hanome
manomeza, manomiaza
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Nohavaozina tamin' ny 2013/04/05