Teny iditra manondrana (ondrana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandefa olona na zavatra hiampita amin' ny lakana na amin' ny sambo: Manondrana entana antaonina maro isan' andro ny ao Toamasina [Rajemisa 1985]
 mandefa entana any ivelan'ny firenena [SLP 1986]
Famaritana anglisy to put goods on board. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay embarquer quelqu'un ou quelque chose [Abinal 1888]
Famaritana frantsay exporter [SLP 1986]
Endriteny 
manondrana
nanondrana
hanondrana
manondràna
Ohatra Kanefa raha tonga hateloana ny sambony ka tsy mizaha ny basy ny manamboninahitra, dia manondrana izy. [Razoharinoro: Soratra, takila 92]

Teny iditra manondrana (ondrana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihetsika hadalana: Manondrana indray Ikoto atsy avaratra
¶ Manambady olon-tsy heny ka tsy nalam-paditra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to show foolishness, to act the fool [Richardson 1885]
Famaritana frantsay être imbécile, faire le fou
¶ commetre l'inceste, comme des cousins germains qui se marient sans dispense [Abinal 1888]
Ohatra fa izaho koa aza halina dia saiky tsy nahita tory akory, fa lasa tany aminy ihany ny eritre-ritro, satria manahy aho fandrao izy dia manangan-tsampona sy manondrana amin' iny hadaladalany iny, ka mahavoafady; [Dahle: Angano, takila 161]

Teny iditra manondràna (ondrana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manondrana [fitanisana]

Teny iditra manondràna (ondrana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manondrana [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay fais l'imbécile! [Abinal 1888]

2017/12/20