Teny iditra manonona (tonona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manambara amin' ny feo: Tsy hain' Isambilo ny manonona ny hoe "tsa"
¶ Milaza (anaran' olona): Aza fady, tompoko, fa nanonona ny anaranao aho
¶ Milaza (anaram-bola): Nanonona telo arivo Rakoto tamin' ny vokatra [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to pronounce, to speak a name [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay prononcer; dire le nom de quelqu'un [Hallanger 1974]
 prononcer; dire le nom [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra 
1Nisaotra ny olona rehetra namaly ny fiantsoana izy, ary nanonona anarana sy nampiseho tsirairay ireo olona rehetra teo akaikiny. [Andraina: Mitaraina, takila 194]
2Ary ny olona aty Merina kosa manonona ireo andro 7 ireo hoe: [Callet: Tantara, takila 61]
Endriteny 
manonona
nanonona
hanonona
manonòna

Teny iditra manonona (onona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manony, manaketraka, mampitony, manalefaka: Manonona ny alahalo [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay calmer, apaiser [Abinal 1888]
Endriteny 
manonona
nanonona
hanonona
manonòna

Teny iditra manonòna (onona, tonona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manonona [firaketana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay  [Abinal 1888]

2013/12/14