Teny iditra manopy (topy)
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   Mandefa, manatodika (ny maso) mba hijery [...]
¶ Manipy [tohiny Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to glance at
¶ to throw water, etc., on [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   jeter un coup d'oeil sur
¶ asperger d'eau [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Nony nitraka izy dia nanopy maso farany ny marary, dia hoy izy: [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 62]
2Diso aho, satria iny tovolahy iray tsy natahotra ny fidaniky ny andro no namakivaky ny tora-pasika mahamay tamin'ny famindra nivembena, nanopy tsindraindray tami'ny manodidina, nahatazana ahy nivalapatra teo amin'ny aloka, dia nanitsy ny nisy ahy. [Andriamalala: Fasana, takila 4]
Ny bikany  
manopy
nanopy
hanopy
manopaza
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra mañopy
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   miambina, miandry [Antesaka] [Rakotosaona 1972]

Teny iditra mañopy
Sokajin-teny   matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy   mamela vatsy [Antesaka] [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2012/07/24