Teny iditra maranitra (ranitra)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Manify dia manify ka mahadidy sy mahatapaka: Maranitra kokoa ny hareza noho ny antsy
¶ Mitsilotsilo loha: Fantsika maranitra omena ahy fa dombo loatra ity
¶ Kinga, matsilo saina: Maranitra itỳ mpianatra itỳ ka tsy mahagaga raha mahomby rahatrizay
Mitovy hevitra: fiharatra ~ kitso loha ~ kitsoina ~ kivahivahiny ~ marani-doha filo ~ miezoezo ~ milohalefona ~ mipilopilo ~ miranirany ~ mitsilotsilo ~ tsamaka ~ tsokiloha ~ tsoky [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy sharp; very clever [Richardson 1885]
Famaritana frantsay aigu, pointu, tranchant [SLP 1986]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Mpanahaka  marani-bava ~ marani-dela ~ marani-doha ~ marani-tsaina
Teny nalaina 

Teny iditra maranitra
Sokajin-teny anarana
Famaritana anglisy a former name of the soldiers who guarded the sovereign [Richardson 1885]
Voambolana 

Teny iditra maranitra (ranitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana anglisy to cohabit though not married. [Richardson 1885]
Endriteny 
maranitra
naranitra
haranitra

2013/04/09