Teny iditra maro
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Mihoatra ny iray: Ny telo dia azo lazaina fa efa maro
¶ Tsy vitsy, betsaka: Maro no nadinina, fa vitsy no afaka [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy many [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay beaucoup, nombreux [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra betsaka
Teny mifanohi-kevitra 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1ary tao anatin'izany taona maro izany dia niova be ihany Ambositra. [Rajohanesa: Kintana]
2Mbola maro ireo ankizy indray nihira tamiko no tratrako tao amin' ny tobinay na tao amin' ny tanàna manodidina: [Andriamalala: Ranomasina, takila 30]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny maro ity (29)
Adabomaro
Ankilimaro
Maroaboaly
Maroadabo
Maroadabokely
Maroakanga
Maroala
  Maroamalona
Maroambihy
Maroantsetra
Marofandilia
Marofody
Marofotsy
Marogisa
  Marogisy
Maroharatra
Marohazo
Marojao
Marolambo
Marolinta
Maromby
  Maromena
Maromitety
Maromoka
Maropapango
Marovato
Marovoay
Nosimaro
  Tranomaro

2015/05/11