Teny iditra masiaka (siaka)
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Tia mampijaly na mahita mijaly, tsy manana fangorahana
¶ Manana tsiro manaikitra, malaholaho: Masiaka ny sakay
Mitovy hevitra: fo vato ~ fon' Itrimo ~ lian-dra ~ lozabe ~ mahery sata ~ mamba noana ~ mangidy ~ ratsy fo ~ sakay kely rano ~ tsy mamela mivalo ~ tsy mifaditrovana ~ tsy mitondra roa [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   cruel, violent, méchant; piquant, [...] [tohiny Rajaonarimanana 1995]
Ohatra  
1Ny tena sakay aloha dia efa tsy dia masiaka loatra intsony, fa ny ranony!... [Andriamalala: Ranomasina, takila 41]
2Toa masiaka amintsika loatra izany Andriamanitra Zanahary ankalazaintsika fa be fitia izany! [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 144]
Teny nalaina  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny masiaka itý (1): Masiajao
Fifanahafana   masiakasaurus

Nohavaozina tamin' ny 2014/01/09