Teny iditra matevina (tevina)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Lehibe ny indrakeliny: Boky matevina ~ Akanjo matevina
Mifanizina, mikitroka mikirindro: Ala matevina ~ Matevina izany zavona izany
Marihitra: Matevina izany ranom-bary izany
Manankarena, tremalahy: Ireny olona matevina [1.1]
 Tsipika na soratra matavitavy [1.13]
Fanazavàna teny frantsay épais; gras [1.13]
 Fourré [1.196]
Ohatra 
1Tao aoriana ny poketrany, ary natevina [2.4]
2Na taiza na taiza dia samy natevina sy maro karazana ny fandraisana anjara [4.27]
3zavatra henjana, matevina, mitarehim-baoritra, tsy misy mason-tenony intsony. [2.472]
4Ilay volony tsy nitsaha-nihintsana teo ho eo aza, dia endre, naniry ho azy ka azo atao tanana ivoho matevina tsara. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : matevina
Ny lasa : natevina
Ny hoavy : hatevina
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/24