Teny iditra matory (tory)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Latsaka ao anatin' ny torimaso: Aza mingadongadona fa matory ny marary
Mitovy hevitra: mandamoka ~ mandry ~ mandry ilika ~ mandry mihohoka ~ mandry mihorirana ~ mandry mitsilany ~ mibafoka ~ mibonoka ~ midaboka ~ mifonoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To sleep [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Dormir [1.8]
Ohatra 
1Dia nakimpiny indray ny masony, ka natory izy. [2.324]
2manomboka izao ankehitriny izao ialahy, izao dia izao, dia any alatrano ialahy no matory. [2.470]
3na matory na tsy matory, tsy re ny moka. [2.472]
4Impiry aho no nitantara tamin' ise fa misy aloka maneloelo ny fiainako, saingy nilaozan' ise natory? [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : matory
Ny lasa : natory
Ny hoavy : hatory
Filaza mandidy : matoria
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/01