Teny iditra maty (faty)
Sokajin-teny   matoanteny mpamaritra
Famaritana malagasy   Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo
¶ Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany
¶ Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra
¶ Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro
¶ Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy
¶ Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany
¶ Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany
¶ Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra
Mitovy hevitra: Rabevoina ~ Ratompokolahy ~ Ratompokovavy ~ dangy ~ diso ~ fohatra ~ jedana ~ jihitra ~ jingy ~ lasa any amin' ny varo-tsy mifody ~ lasa any an-koatra ~ lasan' Andriamanitra ~ lasan-ko razana ~ latsaka aina ~ mandry ao ambany rangolahy ~ manjahana ~ miamboho ~ miondambato mangatsiaka ~ mitsitra ~ modimandry ~ nivoaka ny varavaran-kazo ka niditra ny varavaram-bato ~ nody vovoka ~ tapitra andro ~ tsy miaina ~ tsy tra-drano [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   dead, gone out as a lamp, or a fire [Richardson 1885]
   dead
¶ paralyzed (of the limbs) [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   mort [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   paralysé (se dit des membres du corps) [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Tsy te-ho faty aho! [Andriamalala: Taolambalo, takila 87]
2voatsipy tany anaty rano avokoa, hono, izy rehetra ka maty. [Rabezandrina: Ikotofetsy]
3Maty marina ireo olona ireo, tompoko! [Rajohanesa: Kintana]
4Saika maty aho lahy, hoy aho anakampo, raha raikitra tamin' ireny teo! [Andraina: I Vola, takila 7]
5Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 172]
Endriteny  
maty
matiko
matinao
matiny
matinay
matintsika
matinareo
matin'
matin-
matim-
maty
matiko
matinao
matiny
matinay
matintsika
matinareo
matin'
matin-
matim-
ho faty
ho fatin'
ho fatin-
matesa
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

2017/04/05