Teny iditra mavany (vany)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Olon-doza sy masiaka ary ratsy saina ka tsy misalasala hamono, mahavanon-doza: Aza sendra izay olona mavany ihany: ny loza azo, ny baraka afaka
¶ Mpanao hasomparana, mpila sotasota sady tsy matahotra no tsy menatra ny bila sotasota: Tsy ela dia lasana ihany -- ' lay rahona kely mavany -- ka volana roa mibaliaka -- no hitako samy sariaka (Jean Narivony) [Rajemisa 1985]
  [Sihanaka] masiaka, henjana [Rakotosaona 1972]

2009/10/28