Teny iditra mazava (zava)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mitera-kazavana: Mazava ny afo
Voazava, tsy maizimaizina, hita tsara daholo ny ao anatiny: Tiako ity efitrano ity fa mazava tsara
Mahitsy, tsy farimparina: Feo mazava no avoakan' io sodina io
Tsy miolikolika, tsy misy an-kifonofono: Hevitra mazava; teny mazava
Tanoranora (loko): Itsy mazavazava itsy no endrehina anao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Bright, light, clear; [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Clair, lumineux, brillant [1.3, 1.8]
 Net, franc, ouvert, transparent, éclairci [1.3]
Ohatra 
1Tsy mazava mandrakizao iny raharaha iny. [2.472]
2Nazava dia nazava ny alina tamin'izay ary nangina dia nangina, ka tsy nisy zavatra re afa-tsy ny fisiaky ny ahitra sy ny fimonomonon'ilay renirano kely tao ambany atsimo nifangaro tamin'ny feon'ny tamotamo. [2.324]
3Nodian-dRavokatra tsy azo ihany ny filazany ka nohadihadiany hazava tsara: [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mazava
Ny lasa : nazava
Ny hoavy : hazava
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/17