Teny iditra menavazana (mena, vazana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Efa ela nanaovana, tranainy: Ireny efa mpampianatra menavazana
¶ Olona nanao raharaha miaramila taloha. Miaramila efa napetraka nefa naverina indray hifidianana ny mbola tokony ho volon' ny miaramila ihany: Nantsoina hivory daholo ny menavazana fa misy fiheverana ny vola fanampiana azy
Mitovy hevitra: bekotromaroholatra [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy old soldiers [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay anciens combattants, vétérans [Hallanger 1974]
Ohatra Voantso torak' izany koa I Day, Rasamy ary Parany, samy menavazana daholo ary samy avy ao Marovato. [Andraina: Mitaraina, takila 113]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31