Teny iditra metatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Halavan-drefy vahiny mitovy amin' ny manindao malagasy: Dimy metatra no halavan' ty efitra ity
¶ Hazo na lamba misy marika mitovy halava amin' io refy voalaza eo ambony entina handrefesana: Very ny metatro fa ampindramo kely ny anao aho [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy a meter [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay mètre [Abinal 1888, Hallanger 1974]
Voambolana 
Ny fihaviany Frantsay: mètre.
Ohatra 
1Roapolo, hono, ny metatra tamin' ilay lamba. [Andraina: Mitaraina, takila 119]
2Io no tetezana, foana arofanina, Angamba efapolo metatra halava, Hamitana zavatra iray nomanina, Zavatra tsy mora tantarain' ny vava. [Andraina: Sahabe, takila 2]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31