Teny iditra midaka (daka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mamoaka feo midoboka [Rajemisa 1985]
Endriteny 
midabòka
nidabòka
hidabòka
midabofa
Ohatra Tondrahany rano ny ombilahy midaboka eo. [Razafiarivony: Harivolana, takila 167]

Teny iditra midaboka (daboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mianjera, miletsy, rava: Nidaboka ny tranonay fa nalemy ny fototra ~ Nidaboka ny governemanta
¶ Mandry mitsotra, mivalampatra: Vizaka loatra aho ka tonga dia nidaboka am-pandriana
¶ Lavo, mandrorona, mietry: Izay mijoro, aoka tsy hidaboka
¶ Miaiky heloka, mibaboka: Midaboka ohatra ny amalo-maty ny anao fa potsitra ny laingany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to fall, to fall against, to strike, to hit with violence, to lie down [Richardson 1885]
Famaritana frantsay s'ébouler, s'écrouler, tomber, se renverser, rester couché [Abinal 1888]
Endriteny 
midaboka
nidaboka
hidaboka
midaboha
Tsipelina hafa 
Ohatra 
1Nony efa sasatra izy, dia midaboka eo am-parafara. [Rabary: Daty, takila 1021]
2ambany sarety efa kotrakotra no indro midaboka sy mitsotra! [Rajaobelison: Ralaikamboty]

2017/05/30