Teny iditra midaka (daka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamoaka feo midoboka [1.1]
Ohatra Tondrahany rano ny ombilahy midaboka eo. [2.606]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : midabòka
Ny lasa : nidabòka
Ny hoavy : hidabòka
Filaza mandidy : midabofa

Teny iditra midaboka (daboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mianjera, miletsy, rava: Nidaboka ny tranonay fa nalemy ny fototra ~ Nidaboka ny governemanta
Mandry mitsotra, mivalampatra: Vizaka loatra aho ka tonga dia nidaboka am-pandriana
Lavo, mandrorona, mietry: Izay mijoro, aoka tsy hidaboka
Miaiky heloka, mibaboka: Midaboka ohatra ny amalo-maty ny anao fa potsitra ny laingany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To fall, to fall against, to strike, to hit with violence, to lie down [1.2]
Fanazavàna teny frantsay S'ébouler, s'écrouler, tomber, se renverser, rester couché [1.3]
Ohatra 
1Nony efa sasatra izy, dia midaboka eo am-parafara. [2.649]
2ambany sarety efa kotrakotra no indro midaboka sy mitsotra! [1.232]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : midaboka
Ny lasa : nidaboka
Ny hoavy : hidaboka
Filaza mandidy : midaboha
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/05