Teny iditra midina (idina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandeha mankamin' ny toerana ambanimbany kokoa: Nidina tany ambany rihana aho raha vao nandre ny feony
¶ Mivarina: Midina any Betsiboka Ikopa
¶ mihemotra, mitambotsotra, lasa ambanimbany kokoa: Midina, hono, ny vidim-bary fa efa tonga ny vary vao ~ Efa sitrana ny zanakao fa efa nidina ny hafanany
¶ Mikoriana: Midina eo amin' ny takolany ny ranomasony
Mitovy hevitra: (mikoriana) manao ankororosy ~ mandeha any ava ~ manorika ~ mikodingy ~ mikorisa ~ mikorotsaka ~ mitambalana ~ mitambororotra ~ mitamborotsaka ~ mitsontsori-bava ~ mitsontsorika ~ mivalana ~ mivalangidina ~ mivalangitrika ~ mivarina
Mitovy hevitra: (midina) manao lanja midina ~ mandrorona ~ mianotra ~ mibotetaka ~ mietry ~ mietry vintana ~ mihemotra ~ mikororosy fahana ~ mitakemotra ~ mitambotsotra ~ mivarilavo ~ mivarina [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to pour out, to go down, to descend, to flow out [Richardson 1885]
 to come down [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay descendre [Abinal 1888, Hallanger 1974, SLP 1986]
Famaritana frantsay baisser [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 couler comme le liquide [Abinal 1888]
 couler [Hallanger 1974]
Endriteny 
midina
nidina
hidina
midìna
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Nidina tany Mojanga izy (Il est descendu à Majunga) [Abinal 1888]
2Nidina tany ambanivohitra izy (Il est allé à la campagne) [Abinal 1888]
3Midina hoatra ny rano ny ranomasony (Ses larmes coulent comme de l'eau) [Abinal 1888]
4Midina ny barometratra (Le baromètre descend) [Abinal 1888]
5Midina ny ranomasina (La mer baisse) [Abinal 1888]
6Nidina ny tohatra izy, haingana sy hendratrendratra ... [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 58]
7Indray asabotsy hariva, mba tsy nidina tany an-tsaha izahay. [Andraina: Mitaraina, takila 57]
Teny nalaina 

Teny iditra midìna (idina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao midina [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay  [Abinal 1888]

2017/03/28