Teny iditra mieboebo (eboebo (ebo))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Manao fihetsehana feno rehareha, fihambohamboana; miedinedina, miajokajoka: Mieboebo erỳ Isambila hatramin' ny nahafahany fanadinana
Mitovy hevitra: miadokadoka ~ miadonadona ~ miaingiaingy ~ miaingitraingitra ~ miajokajoka ~ miandranandrana ~ miangiangy ~ mianjonanjona ~ mibohaka ~ mibohy ~ midehadeha ~ mideronderona ~ midihindihina ~ midohadoha ~ midohaka ~ midokadoka ~ miedikedika ~ miedinedina ~ miehakehaka ~ mietaketaka ~ mievotrevotra ~ mihadrahadra ~ mihambohambo ~ mijaijay ~ mirehaka ~ mirehareha ~ misandratsandratra ~ misavoamboana ~ misehaseha ~ misolantsolana ~ mitehateha ~ mitehintehina ~ mitihintihina [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to act important, to be boastful or conceited [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay se donner de l'importance, être vaniteux [Hallanger 1974]
Endriteny 
mieboebo
nieboebo
hieboebo
mieboeboa
Ohatra ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo. [Baiboly: 53:013:004/1 Korintiana 13:4..]
Teny nalaina 

2013/04/16