Teny iditra mieritreritra (eritreritra (eritra))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mihevitra: Nieritreritra anao indrindra aho no niditra ianao
¶ Mandinika zavatra ela mba hanadihadiana azy: Mieritreritra momba ny ho aviny tzy
¶ Trafon-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritra: enti-milaza ny teny na anatra omena olona mahay misaina ka henoiny ary dia tsakotsakoiny aoka izany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to meditate, to weigh and ponder [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay méditer, réfléchir; songer [Hallanger 1974]
Endriteny 
mieritreritra
nieritreritra
hieritreritra
mieritrereta
Ohatra 
1mba nahay nisento lalina sy nieritreritra lavitra toa izany koa teo amin' ny voaloham-pitiavany ... [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 147]
2Rahefa nieritreritra aho, dia hitako fa tokony ho marina izany. [Andriamalala: Ranomasina, takila 46]
3Nieritreritra lalina momba iny fifampikasohanay tamin' I Bemanana raha iny aho taty aoriana. [Andraina: Mitaraina, takila 98]
Teny nalaina 

2012/07/31