Teny iditra mievotra (evotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mibontsina ho avoavo, mivohitra noho ny manodidina: Mievotra ny trafon' omby
Miaina, miverina amin' ny toetrany teo aloha raha alefitra: Mievotra ny rantsankazo nalefitra
Mitana toerana ambony: Mievotra io lehilahy io ka mirehareha izaitsizy
Miantsambotra miakatra: Mievotra ny baolina
Mivadika ny teny natao, mitsoa-teny, miova fiteny: Mievotra matetika tzy ka tsy azo itokiana [1.1]
 Misavoana, mitsambikina [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Bondir [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mievotra
Ny lasa : nievotra
Ny hoavy : hievotra
Filaza mandidy : mievota
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11