Teny iditra mifangaro (haro)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitambatra ka tonga sarotra avahana: Nifangaro ny ondrintsika
¶ Mitambatra ho iray: Tsy mety mifangaro amin' ny rano ny menaka
¶ Miharo, miaraka amin' ny.,.: Aza mifangaro amin' ireo ankizy mpitabataba ireo ire
¶ Miaraka misafotofoto, mifanosona: Mifangaro ao dahoio ny lambanareo ka samia maka ny azy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be mixed together [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay se mélanger, être mélangés [Hallanger 1974]
Endriteny 
mifangaro
nifangaro
hifangaro
mifangaroa
Ohatra 
1Mangatsiaka sy vao latsa-panala ny maraina amin' izay ary mifangaro tsy misy anavahana azy intsony ny setroky ny mpahandro hani-masaka sy ny zavona mamirifiry. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 38]
2Nangina tampoka ny tafondro marovava, fa dridridridry sy kiakiaka mifangaro teny ratsy no nisolo azy. [Andraina: Mitaraina, takila 235]

2013/04/19